NY BOKY VAKIVAKIM-PIAINANA
⇒ Mombamomba ny boky
– Mpanoratra : Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA tamin’ny 1995.
– Mpandray anjara fototra : Tsiry.
⇒ Fironan-tsaina
Loha-hevitra mivoitra sy manaitra : Fitiavana, Fifandraisan’ny tsirairay, ny tontolo iainana manodidina…
⇒ Zava-misy
– Tantaram-piainan’olona mijaly, misedra fiainana.
– Fampisehoana ny fahatrana sy fahorian’ireo tsy manana.
– Fifanjohian’ny trangam-piainana maro, fampisehoana ny toetran’ny fiaraha-monina.
– Fanidrin-tsindriana ny mahantra, fitiavam-bola diso tafahoatry ny mpanankarena.
– Fanambonian-tenan’ny mpanambola sy fieboeboana.
– Faharavan’ny fihavanana.
⇒ Votoatiny
– Mizara efatra : tsikalakalam-pihavanana, tsikalakalam-pitia, tsikalakalam-bola, tsikalakalan’olona.
– Fahadisom-panantenana : na inona na inona ny ezaka atao fijaliana,fahoriana sy fahantrana no mangeja.
– Mampiseho ny zava-misy : fahantrana sy harena, alahelo sy fifaliana, fihamboniana sy fitrotrongiana.
– Fivadihan’ny fototry ny fisainan’ny Malagasy : rava ny fihavanana, atakalo vola ny fitiavana sy ny fihavanana, manampatra fahefana ny mpanakarena.
– Fisarahana sy fifandaozana amin’ny fiainana: kanefa feno fanantenana fa hoavy ny ampitso vaovao.
⇒ Ny fanehoan-kevitra
– Tantara noforonina hisaintsainana.
– I Tsiry foana no mitantara : mampiasa mpisolo-tena ” izaho” na “ahy”.
– Fikajiana sy fametrahana voam-bolana vitsy mpampiasa: “kasy dia kasy’ (p.14), “tomika” (p.64), “volon-tokona” (p.32)… ,maneho ny hakanton’ny teny Malagasy.
– Fehezan-teny roa manokatra sy manakatona ny tantara: « Ny akoholahy mamoha ahy isa-maraina dia vehivavy mpantsaka (p3.)… Ny akoholahy mpamoha ahy isa-maraina dia feo mangerangera . » (p.75).
– Kanto dia kanto, nohon’ny fahaizan’ny mpanoratra misarika ny mpamaky.