Ny Aina sy ny Taranaka

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Ny Aina sy ny Taranaka

A. NY FITSIMBINANA NY AINA

1- Famaritana ny aina

Fototrin’ny fahavelomana eo amin’ny zava-boary rehetra, fanomezana avy amin’ny Andriamanitra , tsy azo vonoina fa manan-kasina.

2- Antony itsimbinana ny aina

  • Sarobidy ny aina, finoana fa avy amin’ny Andriamanitra ny aina.
  • Fahatahorana : ny ho lany tamingana, ny tsiny sy ny tody.
  • Lova sarobidy avy amin’ny razana.

3- Tokony hatao

  • Fanarahana lalàna, fomba amam-panao.
  • Fisorohana ny tsiny sy ny tody, fananam-panahy.

4- Vokatry ny fitsimbinana ny aina

  • Fivoaram-piainana, firindran’ny fiaraha-monina, tsy fahasahiana manao vy very aina.

5- Fomba fiteny sy tenin’ny mpandinika

Aleo maty rahampitso, toy izay maty anio”. “Lahy tokana ny aina” .“Ny aina aloka aman-javona, mihelina dia lasa”. “Rano maso tsy mahatana ny aina”.

Hoy I Erika : “Ny aina lany itadiavam-bola, ny vola azo itadiavana aina”.

 

B. NY FAHARETAN’NY TARANAKA

1- Famaritana ny Taranaka

Fitambaran’ireo olona nipoitra avy amin’ny loharano iray ary mandova io fototra niaviana io.

2- Anton’ny faharetan’ny taranaka

  • Ifandimbiasana ny asan’ireo nipoirana , fiarovana ny maha izy ny firenena.

3- Tokony hatao

  • Fitandremana eo amin’ny sehatrin’ny fanambadiana (firazanana, vintana, fahasalamana).
  • Fisorohana ny tsiny sy ny tody, fanabeazan’ny taranaka mba hanam-panahy.

4- Vokany

  • Fahatsiarovana ny fototra niaviana.
  • Fananan’ireo loharano nipoirana hasina eo amin’ny fiaraha-monina.

5- Fomba fiteny sy filazan’ny mpandinika

« Mamy ny zanaka fa sombin’aina ». « Tsy misy mamy nohon’ny zanaka fa raha manaiki-nono dia ahifika ». « Iri-mahory toy ny zanaka ». “Lahitokana ny aina”.
“Raha maty aho, matesa Rahavana, raha maty Rahavana, mates any omby”.
Hoy RADO : « Ataoko ahoana ny hanadino ireo aina sy solofoko, ireo taranaka avy amiko ary tena sombi-nofoko, tsiry vokatry faka, piti-drako tonga aina ».