BACCALAURÉAT DE L’ENSEIGNEMENT GÉNÉRAL
SESSION 2018
Série C-D ; Epreuve de : MALAGASY
Durée : 03 heures 30 minutes ; Coefficient : 3
LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao
1°) Manomeza antony roa (2) ahafahana milaza fa kanto ny literatiora.
2°) Manomeza antony telo (3) maha zava-dehibe ny fananan-taranaka teo amin’ny Malagasy.
LAZA ADINA II: Isafidianana A sy B.
A – FAMAKAFAKAN-KEVITRA :
Hoy ny mpandinika iray: ‘’Ny hery sy saina tantanan’ny fanahy maha olona no hany azo antenaina fa mba hananantsika fiainana mendrika’’.
Fakafakao
B – FANADIHADIANA LAHATSORATRA
Fitondrana henjana, nefa MARINA, no notakian’ny Malagasy. Henjana fa tsy mandefitra eo anoloan’ny mpandika lalàna na iza izy na iza, henjana fa tsy misalasala hanifakifaka izay rehetra manembatsembana ny diany hanatratra ny tanjona tiany hotratrarina…Ary nefa marina, satria lany eram-bahoaka.
Marihina fa samy hafa ny fitondrana henjana sy fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny fitondrana tsy refesi-mandidy dia manao dia izay danin’ny kibony sy araka izay saim-patany(…) Ny fitondrana marina kosa mandray ny heriny avy amin’ny vahoaka sy vahoaka sy mifototra amin’ny rariny sy ny hitsiny araka ny fisainana maha-olombelona. Ary satria tsy misy fanjakana eto ambonin’ny tany hametraka mpitondra filaminana iray avy isan’olo-miaina mba tsy handika lalàna dia izay tratrany no hataony anatry ny sisa. Izay mpanaoo fanjakana azo manao tsikombakomba amin’ny fampiharana ny lalàna dia darofana indroa heny noho ny sazin’ny