I- Famaritana
– Ara-piforonanteny : Avy @ teny latinina « litterae » midika hoe soratra.
– Fandaharana an-tsoratra na am-bava ireo zava-mitranga ao an-tsaina.
– Fanehoana amin’ny fomba kanto ny hevitra sy ny fihetseham-po ary ny aingam-panahy
II- Karazany
Ny literatiora am-bava :
– Angano, kabary, ankamantatra, ohabolana, Diabôlana, Isa sy rija, Jihe, Osika sy jijy, bahezabaheza, kôre…
Ny literatiora an-tsorata (asa-soratra) :
– Tononkalo, sombintantara, tantara foronina, tantara an-tsehatra, tantara fihaino, tantara an tsary…
III- Sokajy
– Literatiora manoritsoritra
– Literatiora mitantara
– Literatiora manazava
– Literatiora mandresy lahatra
IV- Ny fototra ijoroany
– Mpanoratra na mpamorona
– Sangan’asa (asa-soratra) Mifampiankina, tsy afa-misaraka
– Mpankafy (mpamaky, pihaino…)
V- Anjara asany
Fitaizana
– Mananatra, manabe, miteza saina, mampionona sy mampahery.
Famalifaliana
– Mamalifaly, mampiala voly, mitondra fiadanana amin’ny alalan’ny teny.