FAMARITANA :
– Fototeny nahazoana ny hoe mpandahatra , fandaharana mifandray amin’ny hoe fandaminana.
– Sokajy nametrahan’ny vintana ny zava-boary ny olombelona tsirairay.
ANDRIAMAMPIHATONA : “ Heverina fa efa voalaha-Janahary hatrany am-boalohany ny toerana sy ny fotoana hitrangan’ireo anjara samihafa voatokana ho an’ny olona tsirairay …”
TOETRA SY ENDRIKA ISEHOANY :
RAHAJARIZAFY : “Lahatra avy amin-Janahary ny fanambinana any fahasoavana eo amin’ny fiainany manontolo.”
Michel ANDRIANJAFY : “Mby amin’ny lahatr’Andriamanitra tsy azo nanoharana anefa, ka nodimandry tampotampoka izany lehilahy izany”.
“Aza manantena hery fa ny lahatra tsy azo rombahina”.
VOKATRY NY FINOANA AZY :
“Mahaiza-mionona fa izao no lahatra”