Jean Joseph RABEARIVELO (1901-1937)

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Jean Joseph RABEARIVELO (1901-1937)

MOMBA AZY :

Jean Casimir RABEARIVELO no tena anarany. Teraka tamin’ny 04 Marsa 1901

Nanambady andRabako Marguerite tamin’ny 1926. Niteraka dimy mianadahy. Noseranan-javamahory maro : maty ny zanany vavy voalohany, sahirana tami’ny fiainana

Fianarany :

– Nianatratao amin’ny “frères des écoles chrétiennes », kolejy Masina Misely Amparibe (Voaroaka noho ny famakiana ny boky “ Fleurs du mal »), nifindra tao amin’ny école publique Flacourt

– Tsy nianatra intsony fa nampiana-tena (hainy hatramin’ny teny espaniola)

Asany :

  • Chef de Canton tao Ambatolampy
  • Mpanala diso tao amin’ny l’imprimerie de l’Imerina

Maty tamin’ny 22 Jiona 1937

 

MAHA MPANORATRA AZY :

Vao 14 ans dia efa nanarotra tao amin’ny REVIO VAKIO, Verbal no solon’anarana nentiny.

Boky voalohany ny soratany (teny frantsay) : La coupe des cendres 1924 ; Sylves 1927 ; Volumes 1928 ; Enfantsd’Orphée 1931, Presque songes 1934, Traduit de la nuit 1935

Tononkalo nosoratany : « Tsy hitony tsy akory” ; “Nosoratana tao anatin’ny fangorakorahana ; “Tanala very sampy”, “Foko nanidina

Sombin-tantara : “Lala roa” ; “Irène Ralima »

Tantara  an-tsoratra « Imaitsoanala » ; Vanim-potoana fiforetana anaty sy mitady ny very no ahitana azy. Mpanoratra voataiza tamin’ny literatiora frantsay “Roamntisme”

 

TARA-KEVITRA NOHADIHADIANY : Ny alahelo, ny fahatsiarovana, ny fitiavana, ny fahadisoam-panantena, ny fahakambotiana, ny aloky ny fahafatesaana sy y fasana.

 

GAZETY SY REVIO NANORATANY : Ny mpandinika, Ranovelona, Fandrosoam-baovao Diavolana