Jasmina RATSIMISETA (1890-1946)

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Jasmina RATSIMISETA (1890-1946)

MOMBA AZY :

Teraka tamin’ny 1890. Natsangan-dRatsimiseta anandahin-dreniny. Nanambady an-dRavaoarivony saingy tsy niteraka.

Fianarany : Nianatra tao amin’ny Le Myre de Vilers. Voaroy tamin’ny raharahan’ny V.V.S (natao sesin-tany tany Comores.

Asa nataony : Nanao asa nahaleo tena hatrany (agent d’affaires) ; Mpiandraikitra gazety sady tompon’ny gazety Fehizoro, Telegrafy

Maty tamin’ny 1946

 

MAHA MPANORATRA AZY :

– Mpanoratra tami’ny vanim-ptoana “Fiforetana anatiny” sy “Mitady ny very”

– Solon’anarana maro no nentiny : TREZAN, PALMEDA, EMILIE P, LISE, FANTOMAS, KINTANA, BELZEBOBA, RAKOTOBELOHA….

Asa sorany :

  • Tononkalo : “Rehefa maty aho”, “Ny lasa”…..
  • Sombin-tantara : “Miandry anao”
  • Tantara foronina “Ny adidy” ; “Anatin’ny haizina”
  • Tantara an-tsehatra : “Dobla efatra”, “Ny tsy hamoizako azy”
  • Ohabolana

Gazety namoahany ny asa sorany : FITARIKANDRO, MASOANDRO, MIFOHA I MADAGASIKARA

Tara-kevitra nohadidiany : Fitiavana, fahakambotiana, lasa, aloky ny fasana, fanandratana ny maha Malagasy