Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA

Teraka tamin’ny 16 May 1955. Notezain-dRaibeny sy Renibeny

Fianarany :

– Sekoly Protestanta Ankadimbahoaka, Ecole Chrétienne Ambatomitsangana

– Lycée Philbert TSIRANANA Mahajanga, Lycée Moderne Ampefiloha, Lycée JJ RABEARIVELO

– Oniversiten’I Madagasikara sampana teny sy riba, nandalina ny literatiora frantsay sy ny antropolojia koa izy.

Asany : Mpampianatra Malagasy ao amin’ny Lycée Andoharanofotsy hatramin’izao

MAHA MPANORATRA AZY :

Vao 15 taona dia efa nanomboka nanoratra ary efa sarotiny tamin’ny fanoratana.

Asa sorany amin’ny teny frantsay : L’épithate d’un maître, la fuite de Dzangoa, Reflets et Echos

Asa sorany amin’ny teny Malagasy : – Amboaran-tononkalo : Tantara sy ny tononkalo, sombin-tantara sy ako

  • Tantara foronina : Vakivakim-piaianana, Do miverina, Onjam-pilafila, Hamy
  • Tantara an’onjam-peo : Ilay Vatsy famantsiana.

 

TARA-KEVITRA NOHADIHADIANY :

Ny fitiavana, ny fihavanana, ny fahantrana, ny lanjan’ny harena, ny fandrika mpahazo ny tanora Malagasy, ny fahamarinana

 

FIKAMBANANA MISY AZY

  • Ny fikambanana Malagasy Mandalina ny Riba (FMMR)
  • Ny Havatsa UEM
  • Ny Akademiam-pirenena Malagasy
  • Ny Faribolana IPA