FAMARITANA :
– Ilazana ny amphany azo avy amin’ny fizarana izay natao
– Ampahany tsara na ratsy azon’ny tsirairay amin’n zavatra iombonan’ny rehetra
RAMAOLAHY : “ Samy manana izay zavatra miseho eo amin’ny fiainany avy ny olombelona tsirairay, ary izay mihatra aminy araka izany na soa na ratsy no atao hoe : anjara”
TOETRA SY ENDRIKA ISEHOANY :
RATREMA William : “Izay ambinina ihany no sendra anjara soa”
“ Andriamanitra no manome fa i Balita no tsy ambinina”
“Anjara tsy azo andosirana, teny jadona tsy azo valiana”
VOKATRY NY FINOANA AZY :
IPA : Ny anjarany mahantra anie dia izay atolotry ny mpanana azy ihany e !
Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA : “Tolona sy ady ny fiainana ka zara ho an’izay manam-piniavana handresy”