Andriamanitra, Zanahary sy ny Razana

  • Accueil
  • /
  • Fiches de révision
  • /
  • Andriamanitra, Zanahary sy ny Razana

 

Andriamanitra Zanahary Razana
Famaritana -Anarana milaza fahamboniana, fanindrahindrana, ny fahambonian’ny Andriana.

-Izay  rehetra mahagaga, mahafinaritra, mampatahotra, masina, tsy azo tsiratsiraina

-Mpanjaka niamboho

Ara-piforonan-teny : ilay Ray voalohany indrindra, izay namorona izao tontolo izao

Ara-pinoana: fototry ny fisiana, tompon’aina, masina sy avo indrindra, ilay mpanjaka

-Fahiny, ireo Ray sy Reny na Zoky olona efa maty , nanantanteraka ireo fepetra teo alin’ny fiaraha-monina.

-Ankehitriny, ireo olona rehetra nodimandry

Anjara asany -Mitahy ny olombelona

-Miahy ny vahoaka

-Mpamindra fo, mahita ny miafina

-Mpamorona ny misy rehetra

-Tompon’ny lahatra sy fahefana : mandidy sy mifehy  ny zava-boary

-Manendry ny mpanjaka hifehy ny olombelona

-Fampilaminana ny ain’ny taranaka mifandimby

-Mitahy sy manome tso-drano ny velona

-Mamela lova hoan’ny taranaka: harena, fahendrena…

-Mananatra ny velona sy manasazy raha misy tsy mety

Lanjany -Mpanelanelana ny olombelona amin‘ny Zanahary

-Ankaikikaiky kokoa ny olombelona

-Ampiasan’ny rehetra hatramin’ny fahagola iantsoana ny hery ambony indrindra

-Anarana nohajaina , tsy de ampiasana raha tsy amin’ny vavaka sy kabary

-Ivavahan’ny Malagasy (derainy, ankasitrahany, angatahany)

-Inoan’ny Malagasy fa mitohy hatrany ny fiafandraisana amin’ny Malagasy na dia efa maty aza.

-Fanohizana sy fanajana ireo zava-tsarobidy navelany

-Fanajana ireo hafatra, fahendrena, soatoavina napetrany

Ohabolana na tenin’ny mpanoratra « Ny adala no tsy ambakaiana, Andriamanitra no atahorana ».

 “Ny fikasana an’olombelona fa ny didy an’Andriamanitra”.

Aza mandidy alohan’Andriamanitra toy ny mpampikotroka akoho”.

“Andriamanitra tsy tia ratsy”.

“Tsy misy tsy fantatr’Andriamanitra, saingy minia miondrika izy”.

“Andriamanitra tsy omean-tsiny, Zanahary tsy omea fondro”.

“Avo fijery Andriamanitra ka mahita ny takona”.

“Andriamnitra tsy andrin’ny hafa andriko ihany”.

“Zanahary nanao ny voay, tsy ny endriny fa ny hamafiny”

“Manaonao foana toy ny Zanahary nanao ny kary”

“Tarehy tsara tsy endrehin-dravaka, avelao hitoetra amin’ny vita-Nanahary”

“Tarehy ratsy nataon-Janahary tsy vanon-kisaronan-doha”

“Tsy misy biby te ho kary ka mahery ny laha-Janahary”

“Heverina fa fandaharan-Janahary avokoa no tsy maintsy narahin’ny olombelona”. ANDRIAMAMPIHANTONA, Kabary Betsileo, tak 35.

 

 

 

 

Raha ny razana no tsy hitahy, fohazy hihady vomanga”.

“Ny maty aza te ho maro”.

“Velona iray trano, maty iray fasana”.

“Io foto-kevitra momba ny razana io ihany koa no manery ny velona hiray aina”. Charles RAVOAJANAHARY

“Antoka iray mampisy ny firaisam-pirenena sy ny finoana ny razana.” Olivier RANDRIANJOAHIMANANA