Malagasy

1- Manomeza ohabolana na oha-pitenenana iray (01) avy momba an’Andriamanitra, Zanahary ary ny razana.

2- Milaza anjara asa telo (03) sahan’ny mpanoratra amin’ny maha-panoratra azy ao anaty fiaraha-monina.

3- Mitanisa boky telo mampalaza an’i Rado.

4- Milaza ohabolana telo mikasika vintana.

5- Iza ireo mpanoratra milaza tamin’ny fanentanana ny vahoaka tamin’ny fitadiavana ny very?

6- Manomeza ohabolana telo mikasika ny fanahy

7- Milaza toe-java-nisy ara-tantara manamarika ny vanim-potoana fiforetana anaty teo amin’ny sehatry ny literatiora.

8- Mitanisà ohabolana telo maneho fa makamamy ny aina ny Malagasy



1- Ohabolana na oha-pitenenana iray (01) avy momba an’Andriamanitra, Zanahary ary ny razana :

  • “Avo fijery Andriamanitra ka mahita ny takona”
  • “Zanahary tsy tia ratsy”
  • “Raha razana tsy hitahy fohazy hiady vomanga”

2- Anjara asa telo(03) sahan’ny mpanoratra amin’ny maha-panoratra azy ao anaty fiaraha-monina

  • Mpampiala voly
  • Mpanabe
  • Mpanao fanentanana

3- Boky telo mampalaza an’i Rado:

  • Dinitra
  • Ando
  • Sedra

4- Ohabolana telo mikasika vintana:

  • “Ny faniriana tsy takatry ny vintana”
  • “Anjara voatendrin’ny vintana koa dia raisina an-kafaliana”
  • “Ny hanina hoanina fa ny harena mila vintan”

5- Ireo mpanoratra malaza tamin’ny fanentanana ny vahoaka tamin’ny fitadiavana ny very :

  • J.J. Rabearivelo,
  • Dox,
  • Auguste Rajon,
  • Ny Avana Ramanantoanina,
  • Bolespara, …

6- Ohabolana telo mikasika ny fanahy

  • “Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany”
  • “Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho”
  • “Ady amin’adala k any manam-panahy no mandefitra”

7- Toe-java-nisy ara-tantara manamarika ny vanim-potoana fiforetana anaty teo amin’ny sehatry ny literatiora:

  • Nipoaka ny ady lehibe voalohany nitarika fahoriana ka nahatonga ny mpanoratra nanembona ny lasa
  • Nandripaka ny gripa espanôla sy ny pesta nitarika ny tara-kevitra fasana, fahafatesana, fahakambotiana

8- Ohabolana telo maneho fa makamamy ny aina ny Malagasy

  • « Mamy ny miaina »
  • « Ny mahery tsy maody tsy ho ela velona »
  • « Ny aina Ramangatahiana, fa ny vola Ramangatadiavina »