LAZA ADINA I: Fanotaniana
1-Manomeza ohabolana na fomba fiteny iray avy momba ny marina. ny vintana ary ny tsiny.
2- Indreto misy lohatenina boky. Lazao avy ny anaran’ny mpanoratra azy: Mitaraina ny tany -Sikajin’i Dadabe -Ny Fanagasiana
LAZA ADINA II
A-Famakafakan- kevitra
Hoy ny mpandinikaa iray: “Ny fahalalana miara-dalana amin’ny fahendrena no antoky ny fampandrosoana ny fiaraha-monina”
fakafakao izany fiheverana izany.
B- Fanadihadiana lahatsoratra
…Fantatry ny Ntaolo fa samy mahatsiaro tena ho olona daholo ny tsirairay isam-batan’olona ary dia sarotiny mafy amin’izany.Fa tsy misy na iray aza faIy raha atao hoe “biby”. Ary dia io no anaovan’ny Ntaolo (…) hoe: “Raha te ho olona ianao dia aoka ho tsara fanahy amin’ny namanao ary hitandrina tsara ny fiaraha-monina fa “ny fanahy no maha olona”. Koa raha tsara fanahy ny olona dia antonona ho azy ny antsoina hoe: “olona” ary dia samy manaiky izany ny mpiara-monina. Fa naha tsy izany kosa dia antsoin’ny olona hoe “biby iny fa tsy olona” Ary dia tsy zakan’ny olona ny atao izany. Noho ireo antony ireo dia samy miezaka ny isam-batan’olona ao amin’ny fokonolona Malagasy mba hanatsara hatrany ny fiaraha-monina. Ka dia nahay niara-monina izy. Ary dia zany fahaizaria miara-monina izany indray no hatsangana amin’izany fokonolona vaovao izao.
FETYMICHEL
In Nahoana no avondrona ho fokonolona isika Tak.13
Hadihadio io ahatsoratra io,